Fampianarana

Bakalorea nikorontana Porofon’ny tsy fahamatoran’ny fanjakana


  • Alakamisy 03 Oktobra 2019

Tranga iray azo hanambarana fa tena tsy voafehin’ny fanjakana ny fitantànana ny firenena ny fivoahan’ny laza adina mialoha ny fotoana nandritra ny fanadinana

 

 

bakalorea. Tsy kisendrasendra mihitsy ny hoe any amin’ny faritra maro no indray nahazo ny laza adina izay tena izy fa tsy hosoka akory ary afaka niomana tamin’ny fanaovana ny valiny. Eo ihany ny kolikoly fa kosa tena fahotàna eo amin’ny sehatry ny fanabeazana izany hoe « fuite de sujet » izany ary tsy azo eken’ny saina satria manimba tanteraka ny tanora. Ireo farany izay tsy mifantoka intsony amin’ny fanadinany vao nisy iny olana iny. Fitaintainana sy fikorontanan-tsaina no naterak’io. 11 volana anefa ny fianarana sy ny fanomanana. Potika ny ho avin’ny tanora, izay toa lasibatra hatrany amin’ny resaka fampianarana. Ho afaka ve amin’ity taona ity sa tsy ho afaka? Bakalorea aza tsy voafehy mainka fa fanjakana ! Saika nanerana ny Nosy ny olana.

 

Manerana ny nosy

 Nikorontana ny foibem-panadinana sasany teto Antananarivo, Andoharanofotsy, Imeritsiatosika, Manjakandriana, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Sonierana Ivongo, Ambatondrazaka, Sambava,… Misy ny nihemotra ny fotoana, ary tao ny natsahatra tanteraka aloha ny fanatanterahana ny fanadinana, toy ny tao Moramanga. Ny teto Antananarivo, dia niato ny laza adina omaly maraina teny Andoharanofotsy. Nifamadika ny laza adina “génie civile” sy ny Frantsay tetsy amin’ny LTP Alarobia. Gidragidra nisiana faharatrana mpiadina 1 ary 2 safotra ka voatery nanaraka fitsaboana tany amin’ny hopitaly tany Toamasina. Voatery natao tamin’ny 11ora nirava tamin’ny 13ora15 ny laza adina fizika. Ny Tantara-Jeografia kosa ahemotra amin’ny fotoana manaraka. Tany Fenoarivo Atsinanana dia nisy fiatoana navokoa ny sokajy A,C,D, ny maraina noho ny olana niseho. Namoaka fanambarana moa ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony tarihin’ny Minisitra Blanche Nirina Richard taorian’ny toe-draharaha. Vahaolana noraisina ny fampiasana ny laza adina fiandry na “sujet de garde”. Nambara fa efa am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ireo voarohirohy, ary mitohy ny famotorana. Efa nandraisana fepetra eo anivon’ny “cybercriminalité” ho an’ireo tompon’antoka tamin’ny fivoahana laza adina tamin’ny facebook. Raha ny tantara dia tany amin’ny taona 1990-1991 no nisy ny fivoahana laza adina mialohan’ny fotoana tahaka izao, izay toa narahina gidragidra teto amin’ny firenena. Tahaka izany ihany koa ny taona 2008, ary teraka ny raharaha 2009 avy eo. Tsy hay na fifandrifian-javatra ihany fa misy ny mpandinika milaza fa fanombohana toe-javatra hafana eto Madagasikara io. Ny olana amin’io raha tsy afaka ireo mpiadina ireo dia hamatratra ny rihatra any amin’ny mpitondra ary mety hisy ny grevy. Hafahafa ny toe-draharaha!

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT