Fampianarana

Bakalorea Mety hahemotra ny fanadinana


  • Zoma 10 Aprily 2020

Tsy hisy ny taona fotsy na ho an’ireo mpanala ny fanadinana bakalorea na ho an’ireo mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo manerana ny Nosy amin’ity taona

 

 

 

2020 ity hoy ny profesora Assoumacou, ministry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa omaly. Diso be loatra mantsy raha araka ny nambarany ny tsaho miely mikasika izany eto amintsika, antony hanatanterahany fivoriana in-droa isan-kerinandro miaraka amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tafiditra ao anatin’izany ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena izay misahana ny sekoly ambaratonga fototra sy ny sekoly ambaratonga faharoa ihany koa. Nambarany ary fa miankina amin’ny fifehezantsika ny tsimok’aretina coronavirus no hahafahana mamerina amin’ny laoniny ny fampianarana Mety hisy ny fanemorana izany raha araka ny fanazavany izay holazaina mian-dalana eny ihany. Raha tsiahivina moa dia ka tokony amin’ny 17 ka hatramin’ny 21 Aogositra ho avy izao no fotoana hanatanterahana ny fanadinana bakalorea ankapobeny manerana ny Nosy raha ny 24 ka hatramin’ny 27 Aogositra kosa ny andiany faharoa amin’ny baka teknika.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT