Fampianarana

Bakalorea, fiainan’ny Oniversite Andrasana ny ampamoakan’ny Seces anio


  • Talata 08 Oktobra 2019

Miandry ny fivoriambe izay atao anio vao afaka mamoaka fanambarana momban’ny fanehoan-kevitry ny filoham-pirenena mikasika ny hanatontosana fihodinana faharoa amin’ny Bakalorea ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na Seces eto Antananarivo,

 

 raha ny nambaran’ny filohany, ny Profesora Sammy Grégoire Ravelonirina, omaly. Amin’ny maha olompirenena sy maha mpampianatra mpikaroka kosa anefa, hoy izy, dia tsy maintsy maka vahaolana sy mandray andraikitra ny fitondram-panjakana hanenjika ireo nahavanon-doza. Tsy niteniteny foana anefa, hoy izy, ny Seces raha nilaza fa toerana maro teto Madagasikara no nisehoan’iny fivoahana laza adina mialoha iny. Fitiavana tsy te hanan-dratsy no hanoloran’ny Seces hevitra hoe aleo averina ny fanadinana ary ovana manontolo ireo tomponandraikitra nandray anjara. Tsy manana olana afa-tsy ny fahasimban’ny fanadinam-panjakana izahay. Miombona alahelo amin’ny mpianatra sy ny ray aman-dreniny izahay tamin’iny toe-draharaha tsy fiseho masoandro iny. Ankasitrahana ny finiavan’ny filoham-pirenena vahaolana saingy tsaratsara kokoa raha vahaolana tsy hiverenan’ny olana, indrindra, tsy hisoketana ny diplaoma ho ravahan’ireo mpianatra no omena, hoy hatrany ny tenany. Raha ny tsiliam-baovao heno moa ankoatran’izay dia ahiana sy andrasana ny fisiana ampamoaka ho ataon’ity rafitra ity mikasika izay fanadinana Bakalorea manerana ny nosy izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT