Fampianarana

Bakalorea -Antananarivo Hivoaka ny 25 aogositra ny vokatra


  • Talata 18 Jolay 2017

Ho tanterahina ny 24 jolay ho avy izao manerana ny Nosy ny fanadinana bakalôrea taona 2017. Miisa 74. 577 ireo mpiadina rehetra hiatrika izany , ka 69.539 amin’ireo no ao amin’ny sokajy ankapobeny raha 5.038 kosa ny sokajy teknika.

 Nitombo 1,87% ny taham-pandraisana anjara raha oharina tamin’ny taon-dasa, raha araka ny fanazavan’ny talen’ny ofisian’ny baka Rakotoson Olivier. Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana izany kosa  ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Efa fantatra hatramin’ny fotoana hivoahan’ny voka-panadinana, izay  tombanan’izy ireo ny 25 aogositra ho avy izao ho an'ny eto Antananarivo renivohitra.  Hanaraka moramora kosa aorian’izany ny any amin’ny faritra. Marihina moa fa nampiana roa  ny ivon-toeram-panadinana Antananarivo  dia ny eny Talatavolonondry sy Mahasolo. 12 taona no  zandriny indrindra hiatrika izany ao amin’ny sokajy A2 raha  74 taona  no zokiny indrindra, izay nisafidy ny sokajy D. Miisa dimy kosa ireo tera-tany vahiny hiatrika izany ;  miisa 4 ireo manana olana ara-pahitana raha 9 ireo marenina.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT