Fampianarana

Bakalorea andro faha-4 Tara indray ny fanombohan’ny taranja Frantsay


  • Zoma 04 Oktobra 2019

Nisy fahatarany indray ny fanombohan’ny fanadinana taranja frantsay amin’ny bakalorea, omaly raha ny hita teny amin’ny foibem-panadinana, LMA Ampefiloha, ny teny Alarobia ary ny tany Sabotsy Namehana.

 

 

Tsy ny teto an-drenivohitra ihany no nahitana izay fa tany amin’ny faritra, toa an’ Antsirabe izay tamin’ny 10 ora maraina no tonga ny laza adina, ary tamin’ny 12 ora atoandro vao nanomboka ny fanadinana. Ny tany Moramanga dia tamin’ny 9 ora maraina ihany koa vao nanomboka ny fanadinana. Niteraka fimenomenomana ho an’ireo mpiadina ny fahatarana ary nanimba ny fifantohan-tsaina satria efa 2 andro izay no nisavorovoro ny fanadinana bakalorea.  Tsikaritra ihany koa fa nitombo ny isan’ireo mpitandro ny filaminana niambina ny foibem-panadinana tamin’ireo toerana vitsivitsy notsidihana. Araka ny fantatra, noho ny fahataran’ny  fahatongavan’ny laza adina no voalaza fa olana tamin’ny fahataran’ny fanombohan’ny fanadinana. Tsiahivana fa mbola tazonina ao amin’ny tobin’ny zandary etsy Fiadanana ilay mpampianatra mpanao “cours” nanaparitaka ilay laza adina efa nisy valiny, izay nosamborina afak’omaly, tany Imeritsiantosika ary mbola mitohy ny famotorana atao aminy.

 

Sitraka r.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT