Fampianarana

Bakalorea “2ème session” Mpampianatra vaovao no manomana ny laza adina


  • Talata 08 Oktobra 2019

Mpampianatra vaovao hafa no nantsoina hamolavola ny laza adina amin’ny “2ème session exceptionnelle” izay hatao ny 23-26 oktobra izao, ka nanomboka omaly ny fiantsoana sy famondronana azy ireo hanomana izany.

 

 

 Tsy maintsy alefa mitoka-monina na manao “conlave” indray izy ireo. Miroso ny minisitera amin’ny fitsarana ny bakalorea, hoy ny minisitry ny fampianarana ambony Blanche Nirina Richard. Hohamafisina ny fitsarana faran’izay haingana ny fitsarana, ka nampitomboina vao roa heny ny mpampianatra sy mpandraharaha miantsoroka an’izany. Nanangana ny “cellule de crise” ihany koa ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, hanaraha-maso akaiky ny fizotry ny fitsarana ny fanadinana bakalorea, izay havoaka ny 19 oktobra izao, izany hoe afaka 11 andro. Hisy solontena 3 avy amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, solontena 2 avy amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena, fampianarana ara-teknika, sy fiofanana arak’asa, miampy solontena 2 avy amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena misahana ny zandarmaria, ary solontena 1 avy amin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka io rafitra natsangana io. Tsy tafiditra ao anatin’io izany ny avy amin’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (SECES), izay nivoy ny hanafoanana ny bakalorea natao teo sy hamerenana izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT