BAKALOREA 2025

Tsy maintsy manao adina ara-panatanjahantena avokoa


  • Zoma 14 Martsa 2025

Tsy azo heverina ho taranja azo hisafidianana intsony manomboka amin’ity taona 2025

ny Éducation Physique et Sportive (EPS) ho an’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Tsy maintsy mandray anjara amin’izany avokoa ny rehetra raha araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony ankoatra ireo manana olana ara-pahasalamana na antony manokana ka mitondra ny taratasy fanamarinana izany avy amin’ny mpitsabo na avy amin’ny tompon’andraikitra ara-dalàna mba hahazoana alalana hanao ny EPS théorique. Tsy azo ovaina intsony koa ny safidy amin’ny taranja Sciences de la Vie et de la Terre (SVT) na Physique-Chimie. Raha vantany vao voafidy ny taranja araka izany dia tsy misy fanovana azo atao intsony koa manentana ny mpianatra mba handinika tsara ny Ministera. Hifarana ny 25 Aprily ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea 2025. Tsy hisy ny fanalavam-potoana omenaka tokony ho feno sy ara-dalàna avokoa rehetra antontan-taratasy ilaina amin’ny fisoratana anarana hoy hatrany ny Ministera. Nisy ny fivoriana fanomanana notanterahin’ireo tompon’andraikitra afak’omaly Alarobia 12 Martsa, notarihin-dRamatoa Ministra ny Pr CHAMINAH Loulla.
Pati
Legende : Tsy maintsy miatrika ny EPS pratika avokoa ireo mpiadina hanala baka amin’ity taona ity ankoatra ireo tsy salama !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT