Fampianarana

Bakalorea 2022 Herinandro sisa ahafaha-misoratra anarana


  • Zoma 04 Martsa 2022

Nampahatsiahy tamin’ny alalan’ny valan-dresaka miantefa amin’ny mpianatra, Ray aman-dReny ary indrindra ny mpanabe ny Minisitran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana (MESupReS)

 niaraka tamin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN), ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy fanofanana arak’asa (METFP) omaly 03 martsa, fa hifarana ny 11 martsa 2022 amin’ny 6 ora hariva ho avy izao ny fisoratana anarana amin’ny Bakalorea 2022. Herinandro katroka manomboka anio izany sisa ananana. Nanomboka ny 10 janoary io, kanefa tsapa fa mbola ambany ny taham-pisoratana anarana raha ny antontan’isa voaray teny anivon’ny sampana mikarakara ny bakalorea manerana ny faritany rehetra. Mbola 7% eeo izany raha ho an’Antanananarivo manokana. Noho izany dia entanina ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hanatanteraka izany any amin'ireo sampan-draharaha miandraikitra ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy ary hanaja io fe-potoana farany io, hoy ny toromarika. Ny Alatsinainy 18 jolay ka hatramin'ny 22 jolay 2022 moa ny bakalorea ankapobeny sy ny bakalorea teknika fiodinana voalohany, ary ny Alatsinainy 25 jolay ka hatramin'ny 28 jolay 2022 ho an'ny bakalorea teknika fiodinana faharoa. Toy izao kosa ny saram-pisoratana anaran: 15000Ar ho an’ny mpiadina atolotry ny sekoly ; 50 000 Ar ho an’ny mpiadina misora-tena, ary 100 000Ar kosa ho an’ny teratany vahiny. Ho an’ny adina ara-panatanjahan-tena, dia efa namoaka naoty milaza ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena, fa tsy azo atao ny « sport collectif » na iraisana fa « sport individuel » na mandeha irery ihany. Toy ny tamin'ny taona 2021, ny bakalorea ankapobeny dia mitsinjara toy izao : ny Série L dia misy ny Option Al, Option A2 ary Option L, ny Série S dia misy ny Option C, Option D ary Option S, ny Série OSE dia misy ny Option OSE (na Organisation, Société, Economie). Efa saika mampihatra izany avokoa ny ankamaroan’ny lisea rehetra. Ho an'ny bakalorea Teknika sy Arak'asa kosa dia misokatra amin' ity taona 2022 ity ny sokajim-panadinana "Tourisme, Hôtellerie et Restauration" eto Antananarivo sy ny faritra Diana.

Toky R
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT