Fampianarana

Bakalörea 2 ème session Nizotra tamim-pilaminana


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana bakalôrea andiany faharoa manokana izay notanterahina nanomboka omaly alarobia 23 oktobra, haharitra efatra andro.

 

 

Ara-dalàna avokoa ny fitaovana rehetra tamin’ireo ivom-panadina­na notsidihin’ireo tompon’andraikitra avy ao  amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony notarihin’ny minisitra Blanche Nirina Richard. Anisan’ny  notsidihan’izy ireo ny  tetsy amin’ny Saint  Michel Amparibe sy ny lisea  Andohalo. Na izany aza, nisy tamin’ireo mpiadina ihany no tsy tonga. Nahatratra 97.136 ny totalin’ireo  tsy afaka manerana ny Nosy ary mbola manana safidy ny nanohy izany nanomboka omaly. Tsiahivina  fa tsy  nisy intsony ny taratasy fiantsoana vaovao na ny “convocation” ho an’ireo mpiadina. Tsy niova ihany koa  ny toerana nanadinana azy ireo sy ny efitranom-panadinana.  Hentitra ny fiambenana amin’ny ankapobeny. Ho an’ireo mpiadina niatrika ny  Bakalôrea teknika moa dia fantatra fa hivoaka amin’ny herinandro ny vokatra.

 

Pati  

Legende : Nilamina ny fanadinana Bakalorea 2 ème session  tamin’ny ankapobeny

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT