Fampianarana

Avaradrano 78,46 % ny taham-pahafahana CEPE


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Nivoaka omaly alahady maraina ny voka-panadinana CEPE ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Avaradrano, taorian’ny fankatoavana nataon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

 

 

 78,46 % ny taham-pahafahana raha araka ny vaovao navoakan’ny solombavambahoaka voafidy ao Avaradrano tamin’ny alalan’ny pejy facebook-ny. Tsara ny vokatra azo tamin’ny ankapobeny ary niarahaba manokana ireo kilonga madinika tao amin’ny taona fahadimy rehetra tafavoaka soa aman-tsara tamin’izany fifaninanana izany ity solombavambahoaka ity. Omaly alahady moa no vita soa aman-tsara ny fampidirana ny anaran’ireo mpiadina afaka tao anaty solosaina izay mbola nampiana fanaraha-maso manokana izay vao navoaka ho hita ampahibemaso. Ny zoma lasa teo kosa no nivoaka ny voka-panadinana CEPE ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Ambatolampy. Mpiadina 4.039 tamin’ireo 5.946 nisoratra anarana no afaka soa aman-tsara manome salan’isa 67,47%. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ihany koa ny an’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano. Somary nisy korontana kely teny Tanjombato ka nihemotra tamin’ny ora farany ireo mpamoaka ny vokatra ny sabotsy lasa teo raha efa nivoaka kosa ny teny Itaosy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT