Fampianarana

Arsivan’ny tranombokim-pirenena Avadika ho nomerika


  • Zoma 25 Aogositra 2017

Nitsidika ny tranombokim-pirenena Anosy sady toerana misy ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny asa tanana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly.

 

 Nitari-dalana azy ny minisitra Rabenirina Jean Jacques sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny tranombokim-pirenena. Sarobidy ireo boky satria ny ankabeazany, dia saro-tadiaviana ary mety tsy hita afa-tsy ao. Mirakitra fahalalana sy tahirin-kevitra mahaliana mikasika ny firenentsika, ary azon’ny mpianatra na ny mpianatra-mpikaroka transrahana tsara, raha ny fanehoan-kevitry ny filoha. Naneho ny hidirana amin’ny nimerika sy ny fanajariana ny fotodrafitrasa ihany koa ny tenany. Nandritra io fandalovany tao amin’ny tranombokim-pirenena io no nanararaotany nijery ireo voninkazo tsy dia fahita raha tsy eto amintsika ary indrindra ireo orkidea, izay nambolena eny an-toerana, izay nahafa-po tanteraka ny filoha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT