Fampianarana

Arivonimamo Nahazo sekoly vaovao ny ao Ambaralamba


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Nahazo sekoly vaovao na “ École Communautaire” ny ao Ambaralamba Nord, fari-pitantanana ara-pedagojia (ZAP) Arivonimamo II, fari-piadidim-pampianarana Arivonimamo, fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena Itasy.

Ahitana efitrano fianarana efatra vaovao izy io, efa misy fampitaovana rehetra ka ny efitrano iray natokana ho an'ny garabola, raha natokana ho an'ny ambaratonga fototra kosa ny efitrano telo ambiny. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny mpiara-miombon'antoka MDF (Madagascar Development Fund) sy ny fokonolona, ny ray aman-drenin'ny mpianatra no nahavitana izao foto-drafitrasa izao. Nanatrika izao lanonana izao ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Itasy, ny ekipan'ny fari-piadidim-pampianarana Arivonimamo, ny Tale Jeneralin'ny MDF sy ireo olo-manan-kaja maro. Tsiahivina moa fa mamaha tanteraka ny olan'ny fanabeazana ao Ambaralamba Nord ity foto-drafitrasa ity noho ny mbola tsy fisian'ny foto-drafitrasam-panabeazana ao an-toerana. Mandeha dia an-tongotra an-kilometatra maro hatrany ny mpianatra araka izany teo aloha vao mahita sekoly hanovozana fahalalana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT