Fampianarana

Antsirabe Nahazo ivontoerana informatika ho an’ny jamba


  • Sabotsy 06 Mey 2017

Notokanana tamin'ny fomba ofisialy omaly zoma 5 mey 2017 tany Antsirabe ny ivontoerana ara Informatika natokana hiofanan'ny olona manana fahajambana ka ny tetikasa Voatra Asa eny Ivory no nametrahana azy.

 

 Tetikasa hiarahan'ny Ong CBM sy ny fivodronamben'ny fikambanan'ny olona manana fahasembanana no mitantana sy nahazoana ny tetikasa. Nambaran-dRtoa Lila Ratsifandrihamanana, tompon'andraikitry ny Ong CBM eto Madagasikara fa tsy vao sambany akory no nanohanan'izy ireo ny fikambanan'ny olona manana fahasembanana teto Madagasikara nandritra ny 36 taona niasan'izy ireo teto fa efa maro ny tetikasa notanterahina nanerana ny nosy. Solosaina niisa 10 no natolotra sy ampiofanana ireo jamba ao Antsirabe ka olona 10 isan'andro no hianatra ao, izay hiofana mandritra ny 6 herinadro raha ny nambaran'Atoa Hoby Ratobimiarana, mpandrindra ny tetikasa Voatra Asa Antsirabe. Tanjona ho azy ireo ny hanofana jamba hatrany amin'ny 70 ho afaka hiasa amina sehatra maro aorian'ny fahavitan'ny fiofanana ataony. Tanjona ho azy ireo hatrany moa ny tsy ho vesatra eo amin'ny fiarahamonina. 

 


 

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • FanatsarĂ na ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT