Fampianarana

Antoko Vami “Hanao ahoana indray izany ny lanjan’ny diplaoma 2020 ?”


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Mizotra any amin’ny lalan-dratsy ny firenena, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika, Vahoaka miray na Vami, Gaby Vakiniadiana.

 

 

 Manizingizina ny fanjakana fa tsy maintsy atao ny fanadinam-panjakana kanefa mitohy ny fihibohana. Efa tsy ao amin’izany fanadinana izany intsony ankehitriny ny lohan’ny ankizy. Hanao ahoana indray izany ny lanjan’izany diplaomam-panjakana 2020 izany? Vahaolana hitanay ato amin’ny antoko Vahoaka miray dia aleo sertifika no omena ho marika fa nahavita kilasy fahatelo sy kilasy famaranana ireo ankizy tokony hanala fanadinana. Ataovy fifaninanana ny fidirana eny amin’ny lisea sy oniversitem-panjakana mba tsy hisian’ny taona fotsy amin’ity taona ity. Raha handeha io fanadinana io dia tsy maintsy hiala ilany, araka ny fitenin’ny tanora, ny fitondram-panjakana ka hanao izay hahabe ny ankizy afaka fotsiny indray. Ny mikasika ny tosika fameno moa dia ampatsiahivina hatrany, hoy izy, fa ny Malagasy iraimanontolo ankehitriny no miroso any amin’ny fahantrana ka inona no antony mbola hifidianana ny tokony omena izany? Avadio ariary, hoy aho, iny 500 tapitrisa dolara mahery iny fa fara-faha ratsiny tokony hahazo 9 tapitrisa ariary ny olona tsirairay. Sa ho atao any am-paosin’iza ny ambin’io? Aleo tsy afenina ny marina, hoy hatrany izy, fa tsy nahavita nitaona marary iray akory ireo fiara tsy mataho-dalana fa nahazoan’olona ao anaty fanjakana ihany tsena fotsiny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT