Fampianarana

Antananarivo Renivohitra Zaraina fanampin-tsakafo misy otrikaina ireo mpanala CEPE


  • Talata 07 Jona 2022

Herinandro roa eo ho eo sisa dia higadona ny datin’ny 21 jona hanatanterahan’ireo kilonga madinika ny fanadinam-panjakana CEPE, fanadinana voalohany eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona.

Mitaky vatana tomady sy saina matsilo izany izany miainga amin’ny sakafo omena azy ireny. Anisan’ny antony hitetezan’ny Association Fitia, tarihin’ny vadin’ny filoha Mialy Rajoelina ny ireo EPP rehetra eto Antananarivo Renivohitra izany. Raha araka ny fantatra dia hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona ny tahaka izany toy ny koba aina sy ny ferozinc. Hatramin’ny 17 Jiona ho avy izao no hanatanterahana izany. Ankizy miisa 8. 313 isa no misitraka izany isan’andro mandra-pahatongan’ny fanadinana mba hahafahany miomana am-pilaminana. Tanjona moa ny hanampiana ny Ray aman-dReny amin’ny fividianana ireo sakafo be otrikaina ho an’ny ankizy raha toraka izany ihany koa ireo kilonga madinika. EPP vitsivitsy no efa nahazo ny anjarany hatreto.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ny sakafo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT