Fampianarana

Antananarivo Hiasa amin’izay ny Taxi be


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Hiverina hiasa manomboka ny alarobia 26 aogositra izao ny taksibe, hoy ny Filoham-pirenena.

 

 

 

Tsapako ny fahasahiranan’ny olona hoe tsy misy ny fiara fitateram-bahoaka, tsapako ny fahoriana, kanefa tsy maintsy naka ny fepetra maro. Nisy ny fifampidinihana nialohan’ireny nahafahana nisoroka. Misy antony 5 no tena mampiparitaka ny valanaretina: ny famoriana olona indrindra ao anatina toerana iray mihiboka tsy misy rivotra mifamezivezy, ny fifampikasohana be loatra, ny tsy fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana indrindra fa ny tsy fanaovana arotava, ny fikirakirana ny taratasim-bola, ny fitateram-bahoaka na ny taksibe, hoy I Andry Rajoelina. Matetika, raha tsy misokatra ny varavarakely dia mihiboka ny taksibe, mifampikasoka ny olona ao anatiny, ary ao anatin’izany ihany koa ny fikirakirana vola. Nisy fivoriana nataon’ny minisitera sy ny mpitatitra, ka raha hiverina hiasa ny taksibe dia horaisina sy tsy maintsy hapetraka ny rafitra sy ny fitsipika tsy maintsy arahina. Tsy maintsy hatao ny famendrahana fanafody mialohan’ny iasana, tsy maintsy mampiasa gél na mivoaka na miditra, tsy maintsy manao arovava-orona sy “visière” ny mpamily sy ny resevera. Hatramin’ny 08 ora alina ny fara-fitondrana olona. Tsy maintsy manao arovava avokoa ny rehetra. Rarana ny fampiasana ny seza afovoany. Tsy miova ny saram-pitaterana, tsy misy saran-dalana miakatra sy fanararaotana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT