Fampianarana

Anosipatrana Faritra mena, manao tohivaka ny asan-jiolahy


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

Lasa faritra mena Anosipatrana. Toeram-pisotroana iray eny Ampangabe

 

 

 

Anosipatrana indray no nidiran’ny jiolahy ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina.Nisy lehilahy natory ihany tao amin’io “bar” io, saingy renoky ny torimaso ka tsy nahare na inona na inona, raha tsy efa tafavoaka ireo olon-dratsy raha araka ny fantatra. Nentin’ireto farany avokoa araka izany ny fananana toy ny radio, ny vola….Fotoana fohy taorian’izay ihany izany hoe : ny Sabotsy maraina teo ihany dia fiara 4x4 nanatitr’olona teny an-toerana indray no lasibatr’ireo jiolahy. Somary nitsofoka lalana mihazo ny fokontany Anjanakinifolo io fiara io, ka teo no nosakanan’izy ireo izay nahatratra 6 be izao. Raha araka ny fantatra moa dia manana basy ny iray amin’ireo jiolahy. Nambaran’ny manodidina ihany koa fa efa raindahiny amin’ny fifohana rongony sy fanafihana mitam-piadiana izy enin-dahy ireto. Tsiahivina moa fa efa maro ireo olona nitondra takaitra sy namoy ny ainy lasibatr’ireto andian-jiolahy ireto teny amin’iny Ilanivato, Tranodimy, Ampangabe ary Anosipatrana koa hanaovana antso avo amin’ny mpitandro ny filaminana.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT