Fampianarana

Anosiarivo Tsiafajavona Nahazo EPP vaovao


  • Talata 03 Jolay 2018

23 km miala an’Ambatolampy no misy ny kaominina ambanivohitra Tsiafajavona, any amin’ny Faritra Vakinankaratra.

 
Mahatsiaro ho sahirana amin’ny famonjena sekoly ireo ankizy mpianatra ao aminy, antony  mampitombo isa hatrany ny tahan’ireo ankizy mitsoaka an-daharana an-tsekoly. Lohalaharana amin’izany ireo efa lehibebe hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy BEPC.  Mba ho fanampiana azy ireo dia nanangna sekoly vaovao ao Anosiarivo ny orinasa Star. Ny 30 jona teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, notarihin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa any an-toerana sy ny sekretera jeneraliny Rtoa Annah Rabary. Tanjon’ity orinasa iray ity ny hahafahana manampy sy manohana ireo ankizy madinika any an-toerana izay zary tsy afaka mianatra ara-dalàna intsony noho ny antony tsy miankina amin’izy ireo. Efa tamin’ny taona 2016 no niorina tany an-toerana ny orinasa Star izay tsiahivina  fa efa nanome lava-drano  ho an’ny  fokontany Tsangambaton’ny Ntaolo  sy Ambony Atsimo  tamin’ny taon-dasa raha paompin-drano fisotro madio miisa efatra kosa ho an’Anteza, Ankirihitra ary Ambondrona ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina. Tsiahivina moa fa nahazo trano fivoahana ihany koa ity EPP vaovao ao Tsiafajavona ity  niampy dabilio 60 isa sy lava-drano iray hahafahan’ny mpianatra miaina araka ny tokony ho izy.

 

 Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT