Fampianarana

Ankizy hiatrika CEPE –Anosizato andrefana Notoloran’ny MAPAR fanomezana


  • Alatsinainy 12 Jona 2017

Efa tena mihatra aman’aina mihitsy ny fahorian’ny vahoaka Malagasy ankehitriny, hoy ny antoko MAPAR etsy Anosizato Andrefana.

  Na ny hanina hohanina aza mila tsy ho hita intsony vokatry ny fisondrotan’ny vidim-piainana andro aman’alina nefa tsy hita taratra akory izay fandraisan’andraikitry ny fitondrana, hoy hatrany izy ireo. Ho an’ireo ray aman-dreny manan-janaka hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE dia mbola betsaka amin’izy ireo no tsy nanomana akory, antony nanosika ny antoko MAPAR Anosizato Andrefana hanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy 350 mianadahy ao aminy. Ireo tena sahirana ara-pivelomana no nahazo tombontsoa tamin’izany, fitaovana izay nahitana pensily hazo, penina, kahie, trousse…. Nambaran-dRandrianjafy Elidiot, talen’ny EPP Anosizato Andrefana teo aloha fa tsy hijanona hatreo ny hetsika ho azy ireo. Hitohy hatrany izany, indrindra ho fanampiana ireo vahoaka sahirana mba ho fitsinjovana ny mpiray tanindrazana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT