Ankatso sy Vontovorona

Nangotraka ny fifandonana !


  • Zoma 03 Mey 2024

Mangotraka ny toe-draharaha eny amin’ny Anjerimanontolom-panjakana

Tsy afa-po tamin’ny famoahan’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny tetiandro hamoahana ny vatsim-pianarana 3 volana sy ny fampitaovana manomboka ny 06 mey ho avy izao ireo mpianatra na ny tetsy Vontovorona na ny teny Ankatso, ka raikitra indray ny grevy mahery vaika omaly. Teny amin’ny Politeknika, nitohy ny fitokonana mahery vaika. Nalefa niditra an-tsehatra naaparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ny emmo-reg, ka nisy indray ny naratra. Potika ny fanondro sy ankihiben’ny tovolahy iray, tsy afaka manoratra kanefa fanadinana amin’ny herinandro. Tovovavy iray ihany koa no torana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso. 3 no naratra hatramin’ny nanombohan’ny grevy, saingy milaza ireo mpianatra fa vao mainka manetsika ny hambom-pon’izy ireo izany ka tsy mitsahatra ny tolona raha tsy mivoaka ny vatsim-pianarana 5 volana. « Tsy mahafa-po anay ilay telo volana, fa dimy volana ary miara-mandray daholo. Efa tany amin’ny taona 1900 io vatsim-pianarana io, ka farafaharatsiny avo roa heny. Raha tsy misy dingana mazava sy mari-pototra ataon’ny Fanjakana dia tsy hitsahatra ny grevy », hoy ireo mpianatra eny amin’ny Politeknika Vontovorona izay mitaky ny fanatsarana eny amin’ny « campus » ihany koa. Nifanindran-dàlana tamin’io, raikitra ary nangotraka ny grevy teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo omaly alakamisy 02 mey 2024. Tapitra ny fe-potoana 72 ora nomen’ireo mpianatra avy amin’ny Siansa na FMSA hamahana ny olana samihafa eny amin’ny anjerimanontolo, toy ny fotodrafitrasa, olan’ny rano, fandoavana ireo vatsim-pianarana an’ireo « réclamations» ho an’ireo taom-pianarana roa teo aloha mbola tsy voaloa,… fa indrindra indrindra ny fampiakarana ny vatsim-pianarana. Milaza mantsy ireo mpianatra fa efa tsy mifanaraka intsony amin’ny vidim-piainana sy ny filàna ho an’ny lafiny fianarana. Nangotraka ihany koa ny grevy satria nidina teny amin’ny fiantsonan’ny taksibe 119 nanapaka làlana sy nandrehitra afo, ka minitra vitsy dia tonga ny Emmo-reg nandrava. Vao mainka nampiakatra ny maripana ka raikitra ny tora-bato, nirefodrefotra ny lakrimozenina. Nirantiranty ny sora-baventin’ny mpianatra manamafy ny fitakiana fampiakarana vatsim-pianarana, ary tamin’ny 4ora sy sasany hariva vao rava ny hetsika. Toa olana tsy mety milamina ity resaka vatsim-pianarana ity. Tena nahomby ve ny karatra e-poketra sa tsy tena voafehy ny ilay « digitalisation » mandrak’ity ny androany ? Marina fa misy ireo dingana ara-panjakana toy ny fanamarinana ny mpisitraka vatsim-pianarana, ny dingana amin’ny famoahana volam-panjakana,… saingy ny sary toa mitranga amin’ny ankampobeny dia rehefa misy grevy vao taitaitra, ka mila jerena manokana. Endrika maneho sy manamafy fa marary ny fampianarana eto Madagasikara ary betsaka ny zavatra mila hovaina sy hatsaraina.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT