Fampianarana

Angon-kevitra momba ny fanabeazana Hametraka biraom-paritra ny CONAMEPT


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Betsaka ny lesoka momba ny fampianarana eto amintsika. Mitotongana ny fiainan`ny mpampianatra ary lasa kitoatoa ny fampianarana ka manohintohina ny fanabeazana eto amintsika.

 

 

 Olana ihany koa ny fahantran`ny mpampianatra izay mahatsiaro tena ho ankilabao tanteraka. Tsy manana antontanisa mazava ny tontolon`ny fanabeazana eto Madagasikara ka nisy ny tetikasa fanaovana angon-kevitra atao anatin`ny tahirin-kevitra ho an`ny fanabeazana. Mitohy ny tetikasa tarihin`ny CONAMEPT (COalition NAtionale de Madagascar pour l`Education Pour Tous) tohanan`ny OSISA (Open Society Initiative for Southern Africa) manohana ara-bola, ara-pitaovana, ara-teknika… Manohana ny tetikasa ny OSISA satria misy ny adivarotra tokony hatao. Sarotra ny manatratra ny tanjon`ny  fampandrosoana maharitra lovain-jafy fahefatra ho an`i Madagasikara, hoy  Rtoa Rakotoarivony Huguette, mpandrindra nasionalin`ny CONAMEPT. Efa tamin`ny volana aogositra 2018 no nanomboka ny fiaraha-miasa ka ao anatin`izany ny fanaovana angon-kevitra atao anatin`ny tahirin-kevitra ho an`ny fanabeazana mahakasika lohahevitra maromaro. Nisitraka 70 000 dolara ny CONAMEPT ka kendrena tsy hihoatra ny volana aogositra ho avy izao ny fanatanterahana ny tetikasa saingy miankina amin’ny fiainam-pirenena. Anisan`ny misongadina amin`ity fiaraha-miasa ity ny fametrahana biraom-paritry ny CONAMEPT ahazoana ireo fiarahamonim-pirenena na fikambanan`ny ray aman-drenin`ny mpianatra na fikambanan`ny mpampianatra eny anivon`ny faritra manambatra ny vaovao mba ho tonga ara-potoana aty ifotony. I Vakinankaratra sy Sofia no hisitraka ireo biraom-paritra noho ireo faritra ireo efa niasana mialoha nandritra ny herinandrom-paritry ny mpanabe tamin`ny taona 2017 sy 2018. Maro ireo mpisehatra amin`ny fanabeazana mila ampiana toy ireo ankizy manana fahasembanana, tsy tomombana ara-tsaina…, hoy hatrany Rakotoarivony Huguette omaly nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin`ny mpanao gazety.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT