Fampianarana

Andry Rajoelina Hasiana “2ème session” ny bakalorea


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2019

Hisy ny bakalorea fihodinana faharoa na “2ème session” ho an’izay tsy afaka, raha ny nambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ilay fandaharana manokana nataony omaly, izay nisy fahatarana fa tsy arakaraka ny fotoana nomena ny vahoaka.

 

 

Telo na efatra andro aorian'ny valim-panadinana no hatao izany, ka ireo mahazo salan’isa na « moyenne” 9 no ho mihoatra, dia afaka ny hanao an’io “2ème session” io. Andrasana ny fanehoan-kevitra ataon’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fampianarana, toa an-dry zareo mpampianatra mpikaroka (SECES) izay nitaky ny hanafoanana ny bakalorea sy hamerenana izany. Tany amin’ny Repoblika faharoa no nisian’ny tahaka izao. Nakana ny hevitry ny mpanabe sy mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ve io ? Laza adina avy aiza no hanadinana ? Efa-bolana mantsy ny fenitra fanomanana azy ireny. Roa ny laza adina fiandry, ka ny voalohany dia efa nisy nampiasaina noho ny fisiana fivoahan’ny laza adina nialoha ny fotoana. Inona no antoka amin’ny tsy mbola niparitahan’ny laza adina faharoa ? Ho hita eo fa mitohy hatrany aloha ny fitaintainana eo amin’ny mpianatra eo anatrehan’izao toe-draharaha izao. Nipatrapatraka hatrany ny fampanantenana, toy ny mahazatra. Hisy oniversite maromaro hosokafana manomboka amin’ity taona ity. Ireo ankizy rehetra nahazo “mention” dia hahazo vatsim-pianarana dia hianatra ao anatin’ny oniversite vao hatsangana, hoy ny filoha Rajoelina.Zava-dehibe ho ana firenena iray ny fampianarana sy fanabeazana, ary mamaritra ny ho avin’ny firenena.Tsy misy firenena mandroso izany raha tsy ampy sy araka ny zava-misy ao aminy ary mifandraika ihany koa amin’ny fivoaran’izao tontolo izao ny fampianarana azon’ny vahoakany.Niaraha-nahita iny ny voka-panadinana ratsy tamin’ny BEPC, tonga indray izao ny Bakalorea dia olana be matoa  miditra an-tsehatra hatramin’ny filoham-pirenena..asa re izay ho tohiny !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ecole Normale Supérieure na ENS
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mpianatra 460 notolorana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT