Fampianarana

Andron’i Mandela tao Fianarantsoa Nahazo “connexion” maimaimpoana tamin’ny Airtel ny oniversite


  • Talata 13 Jona 2017

Hankalazaina manerana ireo oniversite misy eto amintsika ny Mandela Day na andron’i Mandela isaky ny datin’ny 18 jona. Ho an’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar manokana dia ny 09 jona lasa teo no nanamarihany izany izay nifandraika indrindra tamin’ny fitsingerenan’ny faha-40 taonan’ny oniversiten’i Fianarantsoa.

  Hetsika fanohanana sy fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana ao amin’ity sekoly ambony iray ity no nentin’ny Airtel nanamarihana izany  ka nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa   roa sosona teo amin’ny roa tonta. Haharitra 12 volana izany izay fantatra fa azo havaozina araka izay ilana azy. Lohalaharana amin’izany ny fanolorana  connexion ho an’ny mpianatra hahafahan’ireto farany manao fikarohana raha teo ihany koa ny finday sy goodies maro samihafa hatolotra ireo mpianatra mandresy amin’ny fifaninanana momba an’i Mandela toy ny quizz Mandela,  ny tranoheva tsara indrindra an’i Mandela ary ny  pejy facebook tsara indrindra an’i Mandela izay nokarakarain’izy ireo. Tsiahivina moa fa anisan’ny lohahevitra nentin’ny Airtel nanamarihana ny andron’i Mandela tamin’ity  taona ity ny ady amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra eny anivon’ny sekoly ambony. Tena nanao sorona ny ainy  tokoa i Mandela tamin’izany, raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Airtel Maixent Bekangba mba hisian’ny fandriampahalemana sy filaminana maneran-tany izay tian’izy ireo hiparitaka amin’ny taranaka faramandimby.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT