ANDRON'NY SEKOLY

Hankalazaina amin'ity herinandro ity


  • Alarobia 18 Febroary 2026

Hankalazaina amin'ity herinandro ity

ny andron'ny sekoly na ny journée des écoles. Amin'ny ankapobeny dia samy mañana ny fomba entiny hanamarihana izany ny sekoly tsirairay avy, indrindra fa ny sekoly tsy miankina. Ho an'ny sasany dia nosantarina tamin'ny fambolenkazo izany ka tamin'ny Zoma 13 Febroary teo dia efa tsy nianatra mitohy mandritra ity herinandro ity. Ho an'ny sasany indray dia mbola mianatra hatramin'ny anio Alarobia 18 Febroary raha manomboka rahampitso Alakamisy sy amin'ny Zoma ho avy izao vao tsy mianatra. Na izany aza misy ny fifaninana baolina kitra, fanadiovana sekoly...entina hahatsiarovana izany. Somary naka aina kely ny mpianatra noho izany mialohan'ny hidirana amin'ny roa volana faha-efatra. Volana Martsa izay fantatra fa hiomanana sahady amin'ny fiatrehana ny fanadinana mialohan'ny Fetin'ny Paska indray. Fantatra moa fa efa saika nahavita ny antsasaky ny fandaharam-pianarana mihoatra ny ankamaroan'ny sekoly. Ezahina ho vitaina ato anatin'ny roa volana faha-efatra ny ambiny raha efa famerenana sy famintinana sisa no hatao, ao anatin'ny roa volana fahadimy indrindra fa ho an'ireo kilasy hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC. Ho ana talen-tsekoly iray nanaovana fanadihadiana moa dia fantatra fa ny roa volana fahadimy no tena mafy indrindra noho izy io hanomanana ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana na ara-batana izany na ara-tsaina. Miantoka ny fahombiazan'ny mpianatra sy ny sekoly feno izany raha araka ny fanazavany hatrany.
Pati
Légende : Miala sasatra kely ny ankamaroan'ny mpianatra amin'ity herinandro ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT