Fampianarana

Androhibe Antsahadinta Ahemotra ny fitokanana ny CEG sy ny Lisea


  • Talata 24 Janoary 2023

Tafakatra 15 isa hatramin’ny omaly hariva ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso teto amintsika.

Misy olon-dehibe sy ankizy izy ireo raha mbola misy ireo karohina hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Ho fiaraha-miory amin'ireo mpiray tanindrazana amintsika noho ny famoizana azy ireo ary dia ahemotra amin'ny andro manaraka ny fitokanana ny Ceg sy lisea any Androhibe Antsahadinta izay namboarin'ny Faritra Analamanga. Saika hotokanana anio talata 24 janoary mantsy izy io. Na izany aza dia azo sokafana sy hampiasaina avy hatrany ireo sekoly ireo, raha araka ny toromariky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Mbola hisy ihany moa raha araka ny fantatra ny fotoana hitokanana ireo sekoly ireo saingy amin’ny fotoana mahamety azy. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia mety amin’ity herinandro ity ihany dia hampiasa ireo foto-drafitrasa ireo ireo mpianatra eny amin’iny faritra iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay lisea ao Androhibe Antsahadinta
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT