Ambohitrimanjaka

Ho ampiana efitra 4 ny liseam-panjakana


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Hisy ny fanitarana ho atao amin’ny liseam-panjakana ao amin’ny kaominin’Ambohitrimanjaka,

raha ny fanazavan’ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Ihajason Randriamanalintsoa. Ho ampiana efitrano fianarana miisa 4 izany, hoy izy. Nitombo tsinona ny isan’ny mpianatra, hoy izy. Tsy afaka mandray ireo mpianatra vao afaka BEPC avy any amin’ny CEG farany teo ny hadiry na «capacité» hananan’ny lisea ankehitriny. Eo izany no manalasala ireo ray aman-drenin’ny mpianatra hoe ho afaka BEPC ve ilay zaza dia ho ajanona? Ho an’ireo izay tsy manana ho enti-mampianatra ny zanany any amin’ny lisea tsy miankina na tsy afa-miakatra any Antananarivo fa hijanona eto Ambohitrimanjaka izany dia nojerenay hoe andao hitarina ny efitrano. Efa nisy vinavina tamin’ny taona 2023 ny amin’ny hanaovana izany teo amin’ny tokontanin’ny EPP saingy noho ny fanohanan’ny olom-bitsy izany dia tsy natao teo ilay izy fa eo amin’ny tokontanin’ny lisea ihany. Misy ireo maintimolaly izay milaza fa vakoka ny tokontanin’ny EPP Miadana eto Ambohitrimanjaka. Na izany na tsy izany dia tsy misakana ny fampandrosoana amin’ny lafiny fampianarana izany. Ny kaominin’Ambohitrimanjaka teo ambany fitarihanay dia nametraka ho laharam-pahamehana tao anatin’ny PCD na praogramam-pampandrosoana ny kaominina hoe ny fambolena, fiompiana, fampianarana. Ireo miisa 3 ireo izany no tsy maintsy tanterahina sy tsy maintsy atao izay hampandeha sy hampandroso azy ato anatin’ny kaominin’Ambohitrimanjaka. Ny 9 aogositra izao izany izahay no hiady fototra an’izay fanitarana ny lisea izay. Efitrano miisa 4 ireo ka ny habehan’ny efitrano iray dia mahazaka mpianatra miisa 60. Angatahina amin’Andriamanitra mba ho vita soamantsara izany hahafahana mandray mpianatra miisa 240 be izao izany. Mba tsy hisy intsony amin’izay ny fahasahiranan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra hitady kilasy ho an’ireo zanany afaka BEPC izay tokony hanana salan’isa ahafahany miditra hianatra amin’ny lisea ihany koa. Manana ny tetibolany ahafahana manitatra ny efitrano ny kaominina fa eo koa ny fanampian’ireo vato nasondrotry ny tany sy mpiara-miombon’antoka ary ny lisea mihitsy. Izay izany isan’ny laharam-pahamehana fa eo koa ny fahavitan’ny toha-drano na barazy eny Ikotrana satria manana barazy miisa 2 ny fanondrahana ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka. Ny iray eny Ikotrana, eny amin’ny reniranon’i Sisaony. Ny iray eny amin’ny sampanan’ny reniranon’Ikopa. Efa kely sisa dia ho vita ny eny an-tsapanana. Hiditra amin’ny faha 20 aogositra ity ny rano. Ny eny Ikotrana efa vita. Nampiditra rano nanomboka ny 5 aogositra teo. Miandry ny fanondrahana tanimbary dia efa miomana amin’ny fanentsana indray izany ny vahoakan’Ambohitrimanjaka. Mba ho betsaka indray ny mpikarama eny an-tanimbary dia ho afa-pahasahiranana indray ny vahoakan’Ambohitrimanjaka izay tena mivelona sy mihary amin’io tanimbary io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT