Fampianarana

Akanin’ny marenina 67 HA 80 % ny salam-pahafaham-panadinana CEPE


  • Alakamisy 06 Jolay 2017

Tafakatra 80 % ny salam-pahafaham-panadinana CEPE tamin’ity taona ity ho an’ny Akanin’ny Marenina etsy 67 ha raha 50 % tamin’ny taon-dasa.

 

 Mpiadina 13 tamin’ireo 16  no afaka  raha 8 tamin’ireo 16 isa tamin’ny taon-dasa.  Fandresena lehibe ho an’ny AKAMA ny vokatra azony, raha araka ny fanazavan’ny taleny Andriamampianina Rivo izay mbola ezahin’izy ireo hotohizana hatrany. 13 kosa ireo mpiadina miatrika ny fanadinana BEPC ankehitriny izay natokana amina efitranom-panadinana iray  mihitsy sady mbola nomen’ny fanjakana  mpampianatra mandika ny laza adina amin’ny alalan’ny tenin’ny tanàna ihany koa. Mbola  hojerena manokana tahaka izany ihany koa ireo mpianatr’izy ireo hiatrika ny fanadinana Bakalôrea miisa sivy mianadahy.  Tsiahivina moa fa ireo ankizy manana olana ara-pihainoana ihany ary nahazoana taratasy manamarina izany avy amin’ny  dokotera no azon’ny AKAMA raisina.  Ny 2 oktobra ho avy izao izy ireo no hanomboka ny taom-pianarana 2017-2018 raha herinandro mialoha io daty io no hahafahana manavao ny fisoratana anarana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT