Fampianarana

AKAMA 67 ha 7 mianadahy ireo miatrika BEPC nanomboka omaly


  • Talata 05 Jolay 2022

Raha nahatratra 11 mianadahy ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny AKAnin’ny MArenina etsy amin’ny 67 ha

dia fito mianadahy indray ireo kandida niatrika ny fanadinam-panjakana BEPC nanomboka omaly alatsinainy 04 jolay. Enim-bavy iray lahy izy ireo raha saika manodidina ny 16 ny salan-taonany. Ao amin’ny CEG Betsimitatatra 67 ha avokoa izy ireo no miatrika ny fanadinana. Na izany aza miaraka amina mpiadina marobe izy ireo saingy natokana efitrano kosa. Toy ireo mpiadina niatrika ny CEPE manana olana ara-pihainoana toa azy ireo mantsy dia nadika tamin’ny tenin’ny tanana ihany koa ny laza adina natrehin’izy ireo mba hahazoany izany soa aman-tsara. Azo azo raha araka ny fanazavan’izy ireo ny adina natrehiny hatramin’ny omaly. Manantena vokatra 100% toy ny tamin’ny CEPE araka izany ny AKAMA etsy amin’ny 67 ha.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy 7 mianadahy miatrika BEPC mpianatry ny AKAMA 67 ha
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT