Fampianarana

Aiza no hanohy fianarana ? Tongava ao amin’ny “Salon des études Supérieures”


  • Sabotsy 02 Septambra 2017

Raikitra indray ny “Salon des études Supérieures” karakarain’ny Madajeune.

Andiany faha-14 ny amin’ity ary hotontosaina etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny 7 sy 8 septambra ho avy izao. Sekoly ambony 65  isa amina tranoheva 100  izay vaovao ny ankamaroany no handray anjara hampahafantatra ny tolotra omeny, ka anisan’ireny ny avy any Antsirabe, Fianarantsoa. Anisan’ny hampiavaka ny hetsika io. Ankoatra izay, araka  ny fanazavan’Atoa Lahatra Andriamahatsangy mpikarakara dia hisy tetikasa iray antsoina hoe : Pipom izay hanoro hevitra fotsiny ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea 2017 mikasika ny lalam-piofanana tokony harahiny sy ny asa azo antenaina aorian’izay. Arahin’ny fivarotana ilay « Guide des études et Formation » avy amin’ny Madajeune izay hanampy ny mpianatra amin’ny fitadiavana fianarana azo antoka hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa. Anisan’ny manohana akaiky ity hetsika ity ny sekoly ambony ITU University.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT