AILE

Hijoro hanohana sy hanampy ireo sekoly tsy miankina


  • Alatsinainy 16 Febroary 2026

Hijoro hatrany hanohana sy hanampy

ireo sekoly tsy miankina eto amintsika ny AILE na ny Association des Institutions Laïque pour l'éducation, tarihin'ny filoha nasionaliny Rakotomalala Hanitra. Tsy misalovana ny andraikitry ny Fitondram-panjakana anefa ny fikambanana ao anatin'izany toy ny fanaraha-maso ireo sekoly tsy misy rindrina nefa hampianarana ankizy sy hitakiana saram-pianarana. Toraka izany koa ireo trano amoron-tevana ahiana handratra na hamono mpianatra nefa tsy manaitra ny talen-tsekoly akory.... Efa mahatratra 600 isa ireo sekoly tsy miankina mpikambana ao amin'ny AILE ankehitriny manerana ny Nosy. Eto Analamanga no maro an'isa indrindra izay misy mpikambana 250 isa. Manaraka azy ny ao amin'ny Faritr'i Vakinankaratra ahitana mpikambana 23 raha miisa 20 kosa ireo mpikambana any Antsiranana. Namarana ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroany ny AILE ny faran'ny herinandro teo. Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra no nanamarihany izany notanterahina tetsy amin'ny fiangonana FJKM Andavamamba Kristy Voahombo. Asa hojeren'ny fikambanana maika amin'izao taona vaovao 2026 izao sy ny ho avy ny fanatsarana ny sosialin'ny mpikambana hahafahana manatontosa an-tsakany sy andavany ny fanabeazana ny zana-bahoaka.
Pati
Légende : Ireo mpikambana eo anivon'ny Birao, tarihin'ny tale nasionaly Rakotomalala Hanitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT