Fampianarana

Ahiahy momba ny fandaharam-pianarana vaovao Misy sekoly efa mitady vahaolana


  • Talata 30 Mey 2017

Anisan’ny miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao ny fanovana ny fandaharam-pianarana hotontosain’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena.

Lohalaharana amin’izany ny fampidirana ny fanagasiana, ny fanafoanana ny fanadinam-panjakana CEPE, ny fihemoran’ny fidiran’ny mpianatra hanjary ho volana martsa … Tototry ny fanontanian’ny ray aman-dreny  ireo  talen-tsekoly ka tsy vitsy ireo  mitady vahaolana hampilamin-tsaina azy ireo. Anisan’ireny ny lisea tsy miankiana Edenah eny Antanjombe Ambohimanarina. Hanatanteraka  fivoriana tsy ara-potoana  ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra izy ireo ny 10 jona ho avy izao. Hisy ny fiantsoana tompon’andraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, hoy ny talen-tsekoly Ravololomanana Clarisse. Ny hahafahan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra manana fitoniana no tanjona  sady hahafahan’ny sekoly mandray andraikitra ihany koa toy ny fanomezana fiofanana ho an’ny mpampianatra avy hatrany izay tokony hanomboka amin’ny vakansy lehibe ho avy izao. Ny 17 jona kosa no  hamarana amim-pomba ofisialy ny taom-pianarana izy ireo arahin’ny vavaka fangataham-pitahiana ho an’ireo mpanala fanadinana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT