Fampianarana

Ady amin’ny tsy fananan’asa Namoaka mpianatra teny Anglisy 200 mianadahy ny HAFARI


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Tanora 200 mianadahy mpianatra teny Anglisy no indray navoakan’ny English Club hope FMOS sy ny fikambanana HAFARI Malagasy ny faran’ny herinandro teo teny Antanimena.

 
 Mitsinjara ho sokajy telo izy ireo tamin’ny fianarana norantoviny. Nisy ireo nianatra sy namolaka ny teny Anglisy ranofotsiny nandritra ny efa-bolana, nisy ireo niofana ho mpampianatra nandritra ny valo volana raha nisy ihany koa ireo nianatra ho mpandika teny maneran-tany izay nianatra nandritra ny 12 volana. Tsy nisy nandoa saram-pianarana izy ireo fa karazana latsak’emboka no narotsany isam-bolana. Ny fikambanana HAFARI Malagasy kosa no niantoka ny trano nianaran’izy ireo hatramin’izay, asa izay mbola hitohy hatrany hahafahana manampy ireo ankizy sy tanora Malagasy. Vao nivoaka ny fonja mantsy Rafanomezantsoa  Jean Nirina dia ny fanavaozana ny trano nianaran’ireo mpianatra teny anglisy ireo no tena nahamaika azy hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa. Tsy voatery hiandrasana volabe izany fa ny fananana fikirizana sy fitiavana dia efa ampy.  Tsiahivina fa efa nahatratra an’arivony ireo mpianatra navoakan’ity English  Club Hope FMOS ity.

 

Pati

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT