Fampianarana

Ady amin’ny tsy fananan’asa Hofanina araka ny filana ireo mpianatra


  • Alarobia 27 Septambra 2017

Hofanina hifanaraka amin’ny filan’ireo karazana orinasa misy eto amintsika manomboka izao ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.

Ny mba hialana amin’ilay fidodonanam-poanan’ny mpianatra noho ny tsy fahitany asa no antony, aorian’ny fianarany  raha araka ny fanazavan-dRakotonirainy Georges, sekretera jeneraly eo anivon’ity minisitera iray ity sady hahafahana manatsara ny fidiram-bola eny anivon’ny tokantrano ihany koa.  Nanjary tafiditra hampianarina ireo mpianatra eo anivon’ny fampianarana teknika ny resaka zaitra toy ny fandidiana lamba, ny fananganana azy hanjary ho akanjo ohatra na pataloha…Haharitra dimy taona ity tetikasa ity, raha araka ny fantatra, tohanan’ny UNESCO sy ny Repoblikan’i Korea Avaratra vola. Nisy ny atrikasa notanterahin’izy ireo niaraka tamin’ireo karazana orinasa misy eto amintsika omaly teny amin’ny hotel Colbert Antaninarenina ao anatin’ilay tetikasa  « Bear II ».

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT