Ady amin’ny fandikan-dalàna an-dranomasina

Tanterahana eto amintsika ny fihaonambe iarahana amin’ny ACS


  • Talata 25 Febroary 2025

Mampiantrano ny fihaonambe momba ny fandriampahalemana an-dranomasina,

iarahana amin’ny Africa Center for Strategic Studies (ACSS) sy solontena avy amin’ny firenena folo avy amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Indiana i Madagasikara. Fihaonana anatin’ny 5 andro mikendry ny fandrindrana ny ady amin’ny fandikan-dalàna an-dranomasina sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa. Nandray anjara tamin’ny lanonam-panokafana izany ny Ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara sy Kaomoro, Claire Pierangelo, ny Lefitry ny Komandy avy amin’ny AFRICOM, Ambasadaoro Robert Scott, ny Sojaben’ny ACSS, Dr. Assis Malaquias, ary ny Minisitry ny Jono sy ny Toe-karena Manga, Paubert Mahatante. Nasongadin-dRtoa Claire Pierangelo ny maha-zava-dehibe ny fandriampahalemana an-dranomasina ka niantsoany fiaraha-mientana sy fifampizarana vaovao hiarovana ny ranomasina sy ny fiarahamonina. Solontena miaramila sy sivily 50 avy amin’ny firenena folo (Kaomoro, Djibouti, Kenya, Madagasikara, Maorisy, Mozambika, Seychelles, Somalia, Afrika Atsimo ary Tanzania) no handinika paikady sy fomba hanatsarana ny fandriampahalemana an-dranomasina. Tafiditra ao anatin’ny fifanarahan’i Djibouti (Code de Conduite de Djibouti - DCoC) izany, izay mikendry hiadiana amin’ny jiolahin-tsambo sy fanafihana sambo. Hojerena ihany koa ny famolavolana rafitra iraisam-pirenena sy isam-paritra hiatrehana ireo fanamby amin’ny fandriampahalemana an-dranomasina. Hifantohan’ny fifanakalozan-kevitra ny ady amin’ny fandikan-dalàna an-dranomasina, ny fitsarana ireo heloka an-dranomasina, ary ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra fandriampahalemana. Niaiky ireo manampahaizana sy mpandray anjara fa ny jono tsy ara-dalana sy ireo heloka eny an-dranomasina dia fanamby lehibe ho an’ny fandriampahalemana amin’ny faritra. Marihina fa ny ACSS, niorina tamin’ny taona 1999, dia ivon-toeram-pampianarana eo ambanin’ny Departemantan’ny Fiarovam-pirenena Amerikana. Mikendry ny hanamafy ny fiarovana sy ny tamberin’andraikitry ny andrim-panjakana afrikanina amin’ny alalan’ny fiofanana, fifanakalozana sy fikarohana, ka efa 50 ny Malagasy nahazo fiofanana tao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT