Fampianarana

Adina ara-panatanjahantena bakalorea Savorovoro ny tao Toamasina, tsy vita ny tao Brickaville


  • Alarobia 25 Jolay 2018

Vao maraina dia efa nameno ny kianjabe nikasana hanaovana ny adina ara-panatanjahantena tao Brickaville ireo mpampianatra mpikambana eo anivon’ny Sempama any an-toerana.

Tonga tao anaty kianja ihany koa ireo mpampianatra ara-panatanjahantena vonona hanao ny adina ho an’ireto mpianatra hanala ny bakalorea. Nanomboka tamin’ny teo amin’ireto samy mpampianatra ny olana voalohany, satria amin’ny Sempama mitokona dia mpamadika ny tolona sy ny mpampianatra namany ireto mpampianatra ireto. Nifandamina teo ny roa tonga saingy tsy nilefitra ireto mpitokona. Nampiasa hery ny zandary saingy tsy nihontsona sy tsy nanaiky lembenana ireto Sempama Brickaville. Vokany, tsy raikitra ny fanadinana satria tsy niala teo ambony kianja ireo mpampiantra mitokona raha tsy tamin’ny 3 ora tolakandro. Voalaza fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka izany ho an’ny distrikan’i Brickaville. Saika tonga tamin’ny fifampikasihan-tanana kosa ny teo amin’ny samy mpampianatra tao amin’ny Lycée J Rabemananjara Toamasina omaly maraina. Amin’ireto mpampianatra mitokona dia mpamadika sy mpamosavy malemy ireto namany nandray ny asany nefa ny tolona niarahana tsy mbola nivaly sy ataon’ny fanjakana tsinontsinona. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny Emmo-Sécurité ka nandroaka ireto Sempama nitokona sy nilanja sorabaventy, ary niaro kosa ireto mpampianatra vonona nandray ny asany. Raha tamin’ny 7ora no tokony ho nanombohan’ny adina dia tsy tontosa raha tsy tamin’ny 8ora sy sasany tany ho any. Nilamina tsy nisy olana kosa ny tao amin’ny Ceg Ratsimilaho Tanambao V. Tonga ara-potoana ny mpianatra sy ny mpanadina. Nisy ihany ireo Sempama nihaodihaody nanodidina saingy tsy nahasakana ny fanombohan’ny adina noho ny Emmo-Sécurité niaro mafy azy ireo.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT