ZAZA TERAKA TSY TONGA VOLANA

Tafakatra 38% nanomboka


  • Talata 18 Novambra 2025

ny 2012 teto Madagasikara

Tafiakatra 38% ny salan'isan'ireo zaza teraka alohan'ny fotoana na tsy tonga volana teto Madagasikara nanomboka ny taona 2012. Nitohy hatramin'ny taona 2017 izany raha araka ny fanazavana azo. Ho an'ny taona 2014 manokana dia miisa 118.000 izy ireo, fanadihadiana nataon'ny Institut Pasteur de Madagascar. Antony maro no mahatonga ny zaza iray ho teraka alohan'ny fotoana. Eo ny faharerahan'ny Reny diso tafahoatra, ny fisotroan-toaka ary ny fifohana sigara. Toraka izany koa ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo, ny fiakaran'ny tosi-dra, ny diabeta, ny aretin'ny taovam-pisefoana...Nankalazaina omaly Alatsinainy 17 Novambra ny andro maneran-tany ho an'ny zaza teraka alohan'ny fotoana. Nisy ny atrikasa nokarakarain'ny Support thé prémature tao amin'ny Le pavé Antaninarenina nentina nampahafantarana izany. Narahina atrikasa nentina nanentanana ny Reny rehetra ny hetsika mba hahatonga azy ireny hitandrina. Misy mantsy ireo zaza teraka tsy tonga volana mamoy ny ainy raha misy koa ireo mandalo sedra maro vao mitombo sy lasa salama tsara.
Pati
Légende : Mila fikarakarana manokana ireo zaza teraka tsy tonga volana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT