Entanina hanao fitiliana
ireo mpianatra eny Ankatso
Manodidina ny 50.000 eo ho eo ny isan’ireo mpianatra manovo fahalalana eny anivon’ny Oniversite-n’Antananarivo ankehitriny. Tanora avokoa izy ireo ka mahatsiaro ho manana adidy amin’izany ireo tompon’andraikitra ao an-toerana amin’ny maha-toeram-panofanana sy famolavolana tanora ny anjerimanontolo. Izany indrindra no manosika azy ireo hanao fanentanana ny mpianatra ny amin’ny tokony hanaovana fitiliana ny tsimok’aretina VIH/SIDA ny datin’ny 01 Desambra ho avy. Eo amin’ny esplanade Ankatso no hanatontosana izany izay tokony hohararaotiny fatratra. Tanjon’ireo tompon’andraikitra raha araka ny fanazavan-dRakotoarisoa Victor James, talen’ny kabinetra eo anivon’ny Oniversite-n’Ankatso ny hiarovana ny mpianatra amin’ity areti-mandoza ity, indrindra ny tsy hiparitahan’izany intsony eny anivon’ny fiaraha-monina. Notsiahiviny moa fa raha tamin’ny faran’ny taona 2025 manokana dia miisa 90.000 ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA teto amintsika. Noheverina fa efa tafakatra 150.000 io isa io ankehitriny hoy hatrany izy ka tokony ho mailo sy hitandrina ny rehetra. Ny 2,3% -n’ireo nanao fitiliana hatreto no voamarina fa tena tratran’io areti-mandoza io.
Pati
Legende : Rakotoarisoa Victor James, talen’ny kabinetra eo anivon’ny Oniversite-n’Antananarivo !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.