Fahasalamana

Zaza roa maty tao Befelatanana Tsy aretina kitrotro no nahazo azy ireo…


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Tsy mbola nahafaty ankizy na olon-dehibe teto amintsika ny aretina kitrotro, hoy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka na dia nitombo avo roa heny aza ireo olona voany tato anatin’ny tapa-bolana.

 

 

  Aretina hafa no nahafaty ireo zaza roa notsaboina tao Befelatanana  herinandro maromaro lasa izay fa tsy kitrotro akory. Raha sanatria ka nisy izany dia tsy azo nafenina fa tsy maintsy ampahafantarina ny mponina toy ny fisian’ny aretina pesta ho fiarovana ny  rehetra. Nanamafy izy ireo omaly fa mirongatra ny aretina kitrotro. Tsy  ireo  ankizy latsaky ny dimy taona  ihany anefa  no lasibatra fa misy voa ihany koa ny olon-dehibe ka tokony hitandrina ny rehetra. Ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ny aretina kitrotro ihany anefa no vahaolana hahafahana miady amin’izany. Ho an’ireo zaza sivy ka hatramin’ny 59 volana dia misokatra malalaka  ho azy ireny ny tobim-pitsaboana fototra hanaovana ny vaksiny. Toraka izany koa ireo marary mila fitsaboana. Raha sanatria ka efa misy soritr’aretina anefa ny zaza iray dia tsy azo hatao vaksiny aloha raha tsy sitrana soa aman-tsara. Tsiahivina fa mora sitranina ny aretina kitrotro raha vita vaksiny ny zaza na olon-dehibe iray voany. Mahajamba kosa izy raha tsy voatsabo noho ny fiakarany any anaty maso, indrindra fa ho an’ireo tsy vita vaksiny.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT