Fahasalamana

Zaza manana toe-batana diabetika 3 tapitrisa isan-taona ny fitsaboana


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Mafy ny mahazo ireo Ray aman-dReny manan-janaka manana toe-batana diabetika.

 

 

Mahatratra 3 tapitrisa Ar isan-taona mantsy ny vola lanin’izy ireny amin’ny fitsaboana ireo menaky ny ainy, fitsaboana izany tsy mandalo ihany fa mitohy hatrany. Mahatsapa izany indrindra ny AMADIA eny Faravohitra ka vonona ny hanampy sy handray an-tanana ireo ankizy sy tanora manana ity toe-batana diabeta ity. Nahazo fanafody insuline maimaim-poana avy amina mpiara-miombon’antoka avy any Aostralia sy Amerika izy ireo ary hizara maimaim-poana izany ihany koa. Ankizy sy tanora manana toe-batana diabeta miisa 400 hatreto no fantatra eto amintsika, tafiditra ao anatin’ireo mpikambana miisa 43.000 manerana ny Nosy. Mbola ireo ihany aloha no fantatra hoy dokotera Haja Ramamonjisoa noho ny hasarotan’ny fitiliana indrindra fa ho an’ireo monina any ambanivohitra lavitra. Notsiahiviny moa fa latsaky ny 25 taona avokoa ireo ankizy ireo, ka ny diabeta sokajy voalohany no mahazo azy. Tsy mamokatra insuline intsony ny sarakatin’ireo ankizy sy tanora ireo hoy izy ka tsy maintsy hampidirana insuline vaovao hatrany mba hananany fahasalamana. Miantso ireo Ray aman-dReny manan-janaka mivalan-drano lava, mangetaheta lava ary mihamahia araka izany dokotera Haja Ramamonjisoa mba hanatona azy ireo hanao fitiliana. Tsiahivina moa fa mandray an-tanana maimaim-poana ny fitsaboana ireo ankizy sy tanora sahirana manana ity toe-batana ity ny AMADIA. Ny 10%-n’ireo ankizy sy tanora maneran-tany moa no fantatra fa lasibatry ny aretina diabeta.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT