Fahasalamana

Zaza feno 10 taona Nanampy zaza marary miisa 10 isaky ny hopitalin-jaza


  • Talata 10 Aogositra 2021

Amin’ny fo feno fifaliana no hisaorana anareo rehetra tamin’ity anio ity noho ireo firarintsoa maro be nataonareo fa faly be Itokiana namaky ny hafatra,

 hoy ny zazavavy kely Malagasy iray feno 10 taona ny alahady teo tao amin’ny tambazotran-tseraseran’ny reniny. Niavaka Kely tamin’ity indray mandeha ity ny fanamarihana ny tsingerintaona, hoy izy, satria nisafidy ny hanampy ireo zaza marary miisa 10 avy ao amin’ny hopital des enfants Ambohimiandra sy Tsaralalana aho. Nomarihin’ny renin’ity zaza ity moa fa vola nomena azy ho fanampin-tsakafo nandritry ny taona iray sy vola azony tamin’ny dihy izay nataony tanatin’ny lanonam-pianakaviana no omeny ho fanampiana ireo zaza marary ireo. Nahafaly ny olona ny fahasahiany tamin’izany ka hisaorako eto anio ianareo rehetra, hoy hatrany ny renin’ny zaza. Nanontany azy aho hoe inona no hovidiako ho anao ? Nilaza izy hoe ampio ny vola omeko ireo zaza marary fa tsy hividianana « cadeaux » aho. Tiako loatra dia iriko hitohy ny fitiavana manampy sahady amin’izao taonany izao, ankinina amin’ny Ray ny momba azy rehetra, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity naneho ny hafaliany manoloana izay fanampiana zaza miisa 10 isaky ny hopitalin-jaza nataon-janany izay.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT