Namoaka antontan’isa mikasika ny fivoaran’ny valan’aretina kitrotro ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka omaly. Nanomboka ny 3 septambra 2018 hatramin'ny 4 martsa 2019 dia tranga 98 415 no voarakitra an-tsoratra.
Miisa 630 maty voatanisa ao amin'ny lisitra firaketana ankapobeny tamin’ny fivoaran’ny valan’aretina, raha toa ka 511 no tena voamarina teny amin’ny fiarahamonina. Distrika 104 no nahitana ny valanaretina izay niampy distrika roa vaovao. Tsara homarihina fa mitohy ny andiany fahatelo amin'ny fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny kitrotro. Novatsiana fanafody (Kit Rougeole) ireo Tobim-pahasalamana, ka ny orinasa SALAMA no miandraikitra ny famatsiana sy fitsinjarana ny fanafody noho ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny OMS, JSI/GAVI, USAID, UNICEF, MEDECIN DU MONDE, ACCESS, PSI, ASOS, Masoivoho Frantsay, Mahefa Miaraka,... Aretina isan’ny namono olona be indrindra teto Madagasikara izany amin’izao fotoana izao ny kitrotro. Efa tena loza amin’atambo io, raha jerena amin’ny antontan’isa. Saika ny faritra rehetra no nanjakazakan’ny kitrotro, toy ny tany amin'ny faritra SAVA dia tsy omby hopitaly intsony ny narary, ny tao Sambava ohatra izay tsy omby ny hopitaly fa feno marary hatreny an-davaranganana. Ny tany Ambilobe sy ny manodidina izay mety nananika ny an-jatony ny maty,… Ny tapaky ny volana febroary no tonga tany avaratry ny Nosy ny filoha ankehitriny. Navoaka ireo fiarabe nomen’ny Japonais ny fanjakana Rajaonarimampianina, izay hopitaly mandehandeha na “Clinique mobile”, ka nireharehana fa noho ny ezaka ataony ary tonga dia miasa sy mandray andraikitra izy. Maimaimpoana ny fitsaboana ny kitrotro, hoy izy, saingy nisy ihany ny fitarainana mombana fananararaotana nitakiana vola manomboka amin’ny 3000Ar, tahaka ny tao Antsiranana sy tany amin’ny faritra Bongolava. Nangingina sy tsy nisy resaka firy intsony ny fanjakana nanoloana ny kitrotro, ka tsy hay na nafenimpenina na izay ilay hoe: miasa mangina. Mampivarahontsana anefa ny tarehimarika mivoaka avy eo, ka toa nandrinandry nanana aretina ihany isika, indrindra fa ny fanjakana toa tsy taitra firy intsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.