Zaranaina Christian

“Mahagaga ity VIH miparitaka be ity!”


  • Talata 28 Novambra 2023

Akaikina toerana saropady be na “sanctuaire” isika dia i Afrika atsimo,

hoy ny mpikaroka sady talen’ny toeram-pitsaboana, Fondation Chrétien Zaranaina Andoharanofotsy, Zaranaina Christian. Anatina tontolo feno aretina isika izao, hoy izy. Niarahantsika nahita koa ny COVID. Ny valanaretina na “virus” dia mahita fotoana ivoahana foana hiadiany amin’ny hery fiarovan’ny olombelona dia mamorona fiarovan-tena samihafa. Tsy dia mahagaga ny valanaretina miparitaka fa ny tena mahagaga dia ity fiparitahan’ny tahan’ny VIH ambony dia ambony ity. Tsy miankina amin’ny fomba fitondran-tena ara-pananahana na “comportement sexuel” intsony io na fifindrana amin’ny rà fa vokatry ny firoson’ny fiarovan-tenan’ny “virus” sy fanafihan’ny “virus” tamin’ny COVID tamin’ny fotoana nivoahan’ireny “variant” na fihitaran’ilay valanaretina isan-karazany ireny. Ilay “variant” antsoina hoe “Iris” dia mampitombo ny fiasan’ny aretin’ny olona. Ampitomboiny koa ny fahafahany miparitaka. Izay no zava-misy amin’izao fotoana izao. Nandalo vanim-potoam-pifidianana isika teo. Ny “comité de veille” tany Frantsa dia hitantsika fa nandroso herinandro mialoha ny fotoana fanaovana vakisiny. Tamin’ny fotoanan’ny fampielezankevitra isika nifangarongaro be ny olona dia ohatran’ny hoe noleferin’ny fanjakana ilay izy dia io amin’izay izy manomboka miparitaka io. Tsy tokony hiseho amin’ny zazakely ny gripa manana endrika COVID nefa izao izany dia miseho amin’ny zazakely. Misy andraikitra tokony ho raisin’ny fanjakana mba tsy ho zava-doza fa tsy tongatonga ho azy io VIH miparitaka be io satria efa tsy amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo na fomba tsotra intsony ilay fifindrana fa efa amin’ny alalan’ny fomba tsotra mihitsy. Ilaina ny fifampiresahan’ny samy siantifika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT