Zaranaina Christian

“Faha 5 amin’ny aretina mahafaty ny diabeta”


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Mbola mitohy ny fianahan’ireo aretina noresahako farany dia ny Diabeta sy VIH,

raha ny antotan’isa misy, hoy ny mpikaroka sady talen’ny Fondation Chrétien Zaranaina, Zaranaina Christian, omaly. Tsy fotoana hijerena fotsiny izany fihanahana izany angamba izao fa ny tokony ataontsika dia misy fanapahan-kevitra raisina tanteraka amin’izay hanaovana programa hahafahana mandrava mihitsy amin’izay ireo aretina ireo, hoy izy. Tsy misoroka fotsiny fa tena manao ady hiatrehana ny famongorana an’io aretina io. Tena misy vahaolana ahafana mamongotra tanteraka an’io. Ohatrany lany andro miady hevitra fotsiny isika nefa ny faharavana mitohy ihany. Faha 5 amin’ny aretina mahafaty eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao ny diabeta. Izay no nahatonga ireo malagasy vao naheno hoe nahita fanafodin’ny diabeta izahay dia nihazakazaka nankaty. Efa be dia be koa ny olona manatona amin’ny resaka VIH amin’izao fotoana izao. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana hanatontosana ilay antsoina hoe “blocage de mutation” na fampitsaharana ny fianak’ilay aretina satria tsy afaka miditra amina sehatra avo lenta be toy ireny ny sehatra tsy miankina. Ny fanjakana ihany koa no afaka mamoaka fanafody manaraka ny drafitry ny OMS na Sampana iraisampirenena misahana ny fahasalamana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT