Zaranaina Christian

“Azo sitranina tanteraka amin’izay ny diabeta”


  • Talata 17 Oktobra 2023

Ny fiovaovan’ny toetr’andro moa dia efa tranga iraisampirenena, hoy ny mpikaroka sady mpitantana ny rafitra

Kristianina na Fondation Chrétien Zaranaina, Zaranaina Christian. Misy lafiny miabo sy miiba azo raisina, hoy izy, ao anatin’izany. Miabo ho antsika olombelona ny hoe miha mahery ny hery fiarovantsika fa miabo ho an’ireny valanaretina ireny koa ny hoe miha mahery ny fiadiany amin’ny hery fiarovan’ny olombelona. Hisy voka-pikarohana lehibe ho avoakanay. Hita ny singa na “élément” ao anaty zava-maniry eto Madagasikara afaka mamelona mihitsy ny rentsiky ny sarakaty na “cellule pancréatique”. Afaka tena mamelona ny rentsika Alfa sy Beta, araka ny fahafantaran’ireo siantifika azy. Ho avoakanay any ivelany izy io fa tombontsoa be ho an’i Madagasikara. Azo velomina izany manomboka izao ny Sarakaty na “pancréas”, izany hoe, azo sitranina tanteraka amin’izay ny diabeta. 2 na 3 volana fara faha ela no hanarahany ny fitsaboana dia sitrana tanteraka, hoy hatrany izy.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT