VOVONANA HANOVA

"Hampiakaro 15 % ny teti-bolan'ny Ministeran'ny Fahasalamana "


  • Talata 11 Novambra 2025

Tonga teny amin'ny Antenimieram-pirenena

Tsimbazaza omaly Alatsinainy 10 Novambra ny Vovonana Hanova ahitana ireo mpianatra ho Paramed, ny médecine, ....Mangataka amin'ny Solombavambahoaka ny mba hampiakarana ny teti-bolan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ho 15% izy ireo hahafahany manatsara ny asany sy mandray mpiasa vaovao. Raha araka ny fanazavan'ny Dr Randriamiarinjato Fanomezantsoa Rija mantsy dia miisa 20.000 ireo mpiasan'ny Fahasalamana eto amintsika. Ny 5.000 amin'ireo no mikirakira ny lafiny ara-taratasy raha ny 15.000 sisa no mandray an-tanàna ny fahasalam-bahoaka. Mahatratra 30 tapitrisa anefa isika Malagasy ankehitriny hoy izy izay tena marobe tokoa, ka mitaky fandraisana mpiasa vaovao. Nomarihin'ity dokotera ity moa fa ny Sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana mihitsy no mametraka io 15 % io fa tsy sanatria izy ireo akory no mila vaniny. Na izany aza anefa dia ny Solombavambahoaka eny Tsimbazaza ihany no tompon'ny teny farany amin'izany.
Pati
Légende : Ireo mpikambana ao amin'ny Vovonana Hanova 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT