Fahasalamana

Vovoka fotsy nanempotra mpianatra Mandeha ny fanadihadiana ataon’ny Institut pasteur


  • Alarobia 11 Aprily 2018

Efa niverina amin’ny laoniny nanomboka omaly ny fampianarana eo anivon’ilay lisea iray nahitana vovo-javatra nanempotra mpianatra miisa 14 tany amin’ny distrikan’Arivonimamo ka voatery nampidirina hopitaly ireto farany.

 

 Efa nivoaka ny hopitaly daholo ihany koa ny mpianatra, raha araka ny fanazavan’Atoa Tsitoara Serge Thierry, talen’ny fampitam-baovao sy ny teknolojia eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Nambarany fa  nisy ny fepetra noraisin’ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana ho fiarovana ny ain’ny mpianatra. Nohatevenina ny fiambenana ny sekoly ka anisan’ny jerena manokana amin’izany ireo olona mivoaka sy miditra. Mandeha tsy mitsahatra ihany koa ny fanaraha-maso ny  efitrano fianarana tsirairay avy. Mikasika ilay vovo-javatra fotsifotsy nitera-doza manokana moa dia  fantatra fa mbola eo an-dalam-panaovana fanadihadiana ny  mikasika izany  ny  Institut pasteur de Madagascar, taorian’ny nampiakaran’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana any an-toerana teto an-drenivohitra. Andrasana izay tena vaovao marim-pototra mikasika ity vovon-javatra ity.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT