Fahasalamana

VONJY AINA HJRA Tsy voatery misy vola vao tsaboina


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

“Noho ny hamehana, tsy voatery manana vola vao tsaboina ireo miditra vonjy aina ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Araka ny maha vonjy aina (urgence) azy dia raisin’ny hopitaly an-tanana aloha ny fitsaboana maika na ny “premier soin”,

 

 indrindra ho an’ireo tra-pahavoazana mafy”, hoy i Alexandre Ratolojanaharimanana, mpiandraikitra ny serasera.  Manana ny tahirim-panafodiny ao amin’ny sosialiny ihany koa izy ireo. Porofon’izany ireo voan’ny loza tampoka ka entin’ireo tsara sitrapo eny amin’ny hopitaly, tonga dia mahazo fitsaboana avy hatrany na tsy hita aza ny havany. Ireo misy fianakaviana mpanaraka kosa na tsy misy vola aza, noho ny fahatairana  sy ny hamehana tahaka ireo vokatry ny lozam-piarakodia na ireo loza voajanahary, kara-panondro fotsiny aloha no apetraky ny fianakaviana fa mandray an-tanana ny marary avy hatrany ny mpitsabo sy ny mpanampy azy, tahaka ny fifehezana ny ra very amin’ny ratra. Io no fampitam-baovao ofisialy ho an’ireo izay manana ahiahy mikasika ny vonjy aina ao amin’ny HJRA. Matoa anefa apetraka ny kara-panondrom-pirenena atao antoka dia vonona ny handoa ny fanafody. Raha misy ny tsy fahafahana mihitsy dia miditra sosialy fa misy fepetra sy dingana arahina. Milaza kosa anefa ireo fianakaviana sendra ny mpanao gazetinay fa samy hafa mihitsy ny fikarakarana ny efa misy vola tonga dia vonona sy ny tsy misy vola mihitsy. Ireto farany, matetika ireo fanafody mora vidy no ampiasaina. “Ho an’ny iantohana ao amin’ny sosialy raha fanafody haingam-piasa sy lafo vidy no misoratra anaty taratasim-panafody, izay mitovy fiasa amin’iny fa mora vidy na “générique” no omen’ny mpivaro-panafody, hoy i Jonah sy Christian nitantara ny ao anaty sosialy, toy izany koa hatramin’ireo mpiasam-panjakana  sy tsy miankina izay iantohana fa mbola miandry “remboursement”. Tsy eo amin’ny HJRA irery no toy izany fa ireo misy toeram-pitsaboana mandray “prise en charge”. Misy fianakaviana iray tsy nitonona anarana nilaza fa mandalo ihany ny ao amin’ny “urgence” fa rehefa aretina sarotra na ratra lalina, mahalany an’aliny na ana hetsiny ihany ao amin’ny vonjy taitra, noho ny halafon’ny fanafody.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT