Fahasalamana

Vokatry ny hasarotan’ny fiainana Maro ireo miakatra tosi-dra, misy maty mihitsy aza


  • Zoma 09 Desambra 2022

Tena sarotra ny fiainana. Tsy misy izay tsy mitaraina vokatr’izany ny isan-tokantrano indrindra fa ny Renim-pianakaviana.

Tsy vitsy ireo lasa mahazo aretina tsy fidiny noho izany, indrindra fa rehefa fiandohan’ny volana tahaka izao. Tsy maharaka ny trosa tokony aloha intsony mantsy ny vola raisina isaky ny faran’ny volana noho izany hany ka mahazo laka tsy fidiny ny aretina. Anisan’ireny ny aretin’ny tosi-dra izay miakatra ny ankamaroany. Mandeha eny an-dalana ny olona iray ohatra ka avy hatrany dia fanina raha vantany vao be loatra ny adin-tsaina raha araka ny fanazavan’ny dokotera iray. Tsy vitsy koa ireo mianjera dia mamoy ny ainy mihtsy aza na koa torana ka tsy mijanona raha tsy efa tonga any amin’ny hopitaly. Olona am-polony isan-kerinandro no fantatra fa lasibatr’izany eto an-drenivohitra. Misy ihany koa anefa raha araka ny fantatra ireo tsy nivoaka ny tokantranony akory dia tratry ny fahatapahan’ny lalandra noho izany adin-tsaina sy fahasahiranana mitambesatra aminy izay ihany. Tsy mifidy taona intsony moa ity aretina ity fa na dia vao 30 taona monja aza dia lasibatra. Mila mitandrina hatrany ny tsirairay manoloana izany. Ho an’ireo tsy salama na efa nahazoazo taona dia tsy mety ny fandehanana irery mivoaka ny trano. Ho an’ireo manana olana kosa dia anisan’ny mampitony izany voalohany ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra ankoatra ny fahaizana mandanjalanja ny fihetseham-po.
Nangonin’i Pati
Legende : Misy maty eny an-dalana ireo olona sasany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT