Fahasalamana

Vokatry ny fahasahiranana Lasa aretina mpahazo ny Malagasy ny aretim-bavony


  • Zoma 06 Janoary 2023

Marary vavony ny ankamaroan’ireo olona tonga nitsabo tena tetsy amin’ny Centre Aina Soa etsy Namontana izay mpitsabo amin’ny alalan’ny vokatra natoraly nandritra iny taona 2022 nivalona iny.

Tsy nanavahana sokajin-taona izany hoy Ramandimbison Rija fa rehefa olona mety ho tratry ny rarin-tsaina dia lasibatra avokoa. Manampy trotraka izany hoy izy ny adin-tsaina amin’ny fitadiavana ny haninko hanina isan’andro, ny saram-pianaran’ny mpianatra ary ny hofantranon’olona izay tena miteraka aretim-bavony goavana koa. Nasiany resaka manokana ihany koa ny firotorotoana amin’ny fitadiavana isan’andro izay mampiovaova ny ora fisakafoanana sy ireo tsy mahita harapaka afa-tsy indroa isan’andro sisa vokatry ny fahasahiranana hatrany. Ankoatra ny aretim-bavony moa dia fantatra fa maro ihany koa ireo tratry ny aretin’aty. Toraka izany ireo tratry ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, ny tosi-dra sy ny diabeta ary ny aretin-koditra izay nambarany fa tsy dia fahita firy. Tsy ireo mpifoka sigara sy mpisotro toaka toy ny teo aloha intsony araka izany amin’izao hoy Ramandimbison Rija no tratry ny aretim-bavony fa saika ny Malagasy rehetra mihitsy. Notsiahiviny hatrany moa fa na dia resahana vava aza ny fahasahiranana dia tena misy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka mivantana mihitsy izany ary mety hamono.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT