Fahasalamana

Vokatra bio Tadiavina be any Eoropa sy Amerika


  • Alakamisy 23 Aprily 2020

Lazaina fa tsy ampy fanadihadiana sy tsy ampy fanaporofoana klinika akory ny tambavy COVID organics dia efa ampiasaina sahady ka hanerena olona na mpianatra, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena,

 

 

 Richardson Rakotomanana. Tsy mbola neken'ny OMS sy ny siantifika sasany akory hono io dia efa lazaina fa azo amidy any ivelany sahady. Tsy fantatra akory hono ny "effet secondaire" mety haterany dia efa aparitaka sahady. Vendrana noho ny mpivarotra mangidy sy ireo mpivarotra raokandro ve ireto mpikaroka sy mpitily ao amin’ny IMRA ireto fa toa jifain'ny olona maro ny mangidy sy ny tapa-kazo ary ravinkazo eny an-tsena, hoy ny fanontaniany? Matahotra ny "effet secondaire" hono ny sasany ka tsy te hanandrana mintsy, saingy izao ; firifiry moa ny fanafody misy "effet secondaire" raha diso fampiasa na diso fatra na nampiarahana amina fanafody hafa? Firifiry moa ny sakafo be menaka na misy akora simika na OGM nefa be mpanjifa foana na eny an-tsena sy tranom-barotra lehibe? Tsy maintsy izay atao sy eken'ny OMS, ONU, Eoropeana sy Amerikana ihany ve no arahana ? Tadiavina be any Eoropa sy Amerika ankehitriny ny vokatra bio, sakafo bio, akora bio saingy maninona ny fanafody bio Malagasy no ambaniana sy haratsiana, hoy hatrany ny tenany?

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT